Tsy niandry ela fa nidina ifotony avy hatrany, ny tale jeneraly (DG) vaovao ny orinasa Jirama, Ron Weiss, ny sabotsy 4 mey teo. Niaraka taminy ihany koa ny tale jeneraly lefitra roa lahy sy ireo tale isan-tsokajiny misahana ny herinaratra. Nihaona tamin’ny mpiara-miasa eny ifotony sady nijery ny fotodrafitrasan’ny Jirama. Maromaro ny toerana notsidihina, toy ny tobim-paritra any Manjakandriana, ny tohodranon’i Mandraka, ny tobim-pamokarana herinaratra, ny birao sy ny toeram-pitrandrahana rano any Moramanga. Fotoana nifankahafantarana amin’ny samy mpiara-miasa, nifampihainoana sady nifanakalozam-baovao, mahakasika ny zava-misy iainan’ity orinasa ity amin’ny sehatry ny herinaratra sy ny rano. Mbola hitohy ity fidinana ifotony ataon’ny mpitantana ny Jirama ity, entina hanatsarana ny orinasa.
Tsiahivina fa anisan’ny fanamby lehibe miandry ny DG vaovao, Ron Weiss, ny hikaroka vahaolana hanarenana ny Jirama. Hiditra amin’ny vanim-potoana maintany rahateo isika izao, ka hihena ny tosiky ny rano mamatsy ny tohodrano mamokatra herinaratra. Tsy ho ampy koa ny famatsian-drano.
Njaka A.