Miantoka ny famoronan’asa sy fitadiavam-bola maharitra ny tontolon’ny fandraharahana. Ilaina ny fanabeazana ny tanora hahay handraharaha sy handray an-tanana sahady ny hoaviny hamantarany ny lalan-kizorany rahatrizay. Nizara ny kolontsaina tia fandraharahana tamina mpianatra kilasy faharoa, miisa 200 mianadahy, avy amin’ny Lycée Akamasoa, Père Pédro, omaly, ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) amin’ny maha mpandraharaha azy. Nisy ny fampianarana sy fanentanana sahady ireo tanora mahakasika ny fandraharahana sy ny kaoperativa. Nivoitra tao anatin’izany fa mila vina, paikady sy tanjona ary laminasa ny fandraharahana mba hananana fitadiavam-bola maharitra sy hamoronana asa.
Fahalalana
Nampahafantatra ny karazana kaoperativa misy ny minisitra. Misy, hoy izy, ny kaoperativan’ny tantsaha mpamboly sy mpamokatra. « Tsy kaoperativa toy ny teo aloha intsony izy ireny fa efa lasa orinasa kaoperativa », hoy ny fanazavany.
Fantatra fa efa nihaona tamin’ny mpianatry ny Lycée Katolika Coindre, Arivonimamo sy ny mpianatry ny sekoly Rainandriamampandry etsy Ankadifotsy ary ny Lycée Sainte Chantal Soanierana, ny minisitra talohan’ny nahatongavany teny amin’ny Lycée Akamasoa.
Henintsoa H.