Mbola misedra olana vokatry ny fiovan’ny toetr’ andro sy ny rano i Madagasikara hatramin’izao, raha ny zava-misy. Manana anjara goavana hamahana ny olana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana.
Mbola ambany ny fanomezan-danja ny ady amin’ny fikorontanan’ny tontolo iainana sy ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny lafiny rano fidiovana sy fanadiovana eto Madagasikara. Tsy misy afa-tsy 0,9 % ny tetibola natokana hiadiana amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny rano, fanadiovana sy fidiovana, raha ny antontanisa. Raha toa ka efa tafakatra hatramin’ny 10 % kosa ny natokan’izao tontolo izao mahakasika izany.
“Azo lazaina ho misy rano nefa mijaly amin’izany ihany koa i Madagasikara, izay anisan’ny mampiavaka ny firenenantsika. Manana rotsakorana betsaka indrindra sy faritra mora ahatongavan’ny tondradrano betsaka koa”, hoy Razaivaovololoniaina Diamondra, sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Rano sy ny fidiovana ary ny fahadiovana, raha niresaka tamin’ny mpanao gazety, omaly. Maro, araka izany, ny tanàna sy ny faritra iva dibo-drano rehefa tonga sy betsaka ny rotsakorana, raha ny zava-mitranga. Vao tonga ny rano dia mivarina any an-dranomasina ary tsy antenaina hiverina ety an-tanety intsony. Nilaza izy fa fotoana izao tokony hitazomana ny rano ho hampiasaina ary manao ny ezaka mahakasika izany ny eo anivon’ny minisitera, raha ny fanazavany.
“Tafiditra ao anatin’ny fotodrafitrasa maharitra afaka mamaha ny olan’ny fiovan’ny toetr’andro ny fahazaina mitantana marolafy ny rano”, hoy hatrany izy. Ezaka sy fomba fijerin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Rano ny tokony hampiasana izany. Tsy tokony hijanona amin’ny rano fisotro madio fotsiny fa hampiasa izany amin’ny fiompiana, fambolena, fakana herinaratra ary ny fampihodinana indostria ihany koa. Ankoatra izay, dingana atao faran’izay haingana, mba hamahana izany olana izany, ny fametrahana tohodrano fitahirizan-drano isaky ny dobon-drano lehibe manerana ny faritra eto Madagasikara. Efa mizotra mankany amin’izay lalana izay ny fitondram-panjakana sy ny minisitera amin’izao fotoana, raha ny fanazavana voaray. Anisan’ ny toerana hanamboarana io fotodrafitrasa lehibe indrindra aty Afrika io ny any Mandrare, any amin’ny faritra Atsimo.
Miankina amin’ny lafiny ara-teknolojia
Mbola mitohy ny haintany sy ny tsy fahampian-drano any amin’ny faritra maro, indrindra any atsimon’i Madagasikara, raha ny zavatra hita. Firenena fahatelo ratsy endrika indrindra maneran-tany noho ny fampiasana loharano tsy nasiam-panamboarana sy ny fampiasana fitaovam-panadiovana fototra i Madagasikara. Manodidina ny 36% ny mponina any ambanivohitra ihany no manana loharano nasiam-panamboarana. 10% ny mponina kosa ny mampiasa fotodrafitrasa fanadiovana fototra, raha ny tatitra navoakan’ny Unicef, ny taona 2022.
Mba hahafahana mametraka ireo fotodrafitrasa ireo. Tsy maintsy arindra ny lahasa rehetra atao eo amin’ireo mpisehatra. Tsy maintsy atrehina ihany koa ny hetsika sy ny fidinana ifotony manoloana ny fiovan’ny toetr’andro any amin’ny faritra tsirairay avy. Ankoatra izay, mila hamafisina ny fanabeazana. “Mbola ela ny fiovana ara-tsaina sy ara-pitaovana eo amin’ny tsirairay raha tsy misy ny fanabeazana”, hoy hatrany Razaivaovololoniaina Diamondra, sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Rano. Ilaina, araka izany, ny fiaraha-mientan’ny rehetra mba hifantoka amin’ny fiovan’ny toetr’andro manoloana ny rano, ny fanadiovana sy fidiovana.
Miatrika fiofanana ireo mpisehatra
Manao atrikasa fiofanana sy fanaovana drafitrasa, etsy Anosy, ireo fikambanana sy mpisehatra momba ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro eto Madagasikara. Ahitana ireo mpisehatra eo anivon’ny minisitera maromaro sy ny mpiara-miombon’antoka ara-pitaovana sy ara-bola, ny sehatra tsy miankina, fiarahamonim-pirenena ary ny mpikaroka izany. Nanomboka omaly ary haharitra hateloana ny atrikasa. « Miompana manokana amin’ny tontolon’ny rano, fanadiovana sy fidiovana ny vetin-kevitra hodinihana mandritra izany. Anisan’ny miteraka fahasimbana goavana, na eo amin’ny lafiny ara-pitaovana, na eo amin’ny tenan’ny zanak’olombelona ny rano raha tsy voafehy ka anton’ny safidy », hoy Razaivaovololoniaina Diamondra, sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana. Tanjona ny hametrahana sy hanomezan-danja ny famoronana sy ny fandrindrana ny asa ho an’ireo mpisehatra rehetra mahakasika ny ady amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana eto amin’ny Nosy. Tarihin’ny minisiteran’ny Rano sy ny Birao nasionaly misahana ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy ny atrikasa. Hivoaka amin’ny faran’ny fiofanana ny fehin-kevitra.
Nanatontosa : Mino