Tony ny onja ho an’ny mpianatra eny amin’ny oniversiten’Ankatso. Manaiky ny fandaminana ny mpianatra. Miroso amin’ny famahana ny olana ny minisitera mpiahy.
Niravona ny disadisa teo amin’ny mpianatry ny oniversite sy ny tomponandraikitra rehefa natao ny fifampidinihana. Nitsahatra omaly, ny fitokonana ary hanaraka ny fandaminana ny mpianatra. Nanaiky ny vatsim-pianarana 3 volana miampy fampitaovana izy ireo. Hanaraka ny tetiandro fizarana ny vatsim-pianarana izay efa navoakan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, tamin’ ny herinandro rahateo izany.
Miatrika fanadinana ny ankamaroan’ny mpianatra eny amin’ny oniversite amin’ity herinandro ity. Anisan’ny antony nandraisana ny fanapahan-kevitra hanarahana ny fandaminana ihany koa izany.
Tetsy andaniny, nanery ny tomponandraikitra hanafaingana ny famoahana ny ambin’ny vatsim-pianarana tsy mbola voaloa ihany koa ny mpianatra. Nilaza ny tomponandraikitra, tamin’ny alalan’ ny tale jeneralin’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, fa hivoaka any amin’ny volana jona any indray ny andiany manaraka. Efa mikarakara ny hamoahana ny tohin’ny fandoavana ny ambiny ny minisitera.
Nojerena indrindra koa ny resaka connexion izay mampitaraina ny mpianatra. Hitadiavana vahaolana maharitra ny mahakasika izany, hoy hatrany ny tale jeneraly.
Ny momba ny famatsian-drano, izay tafiditra ao anatin’ny fitakian’ny mpianatra, ny fanaovana forage no vahaolana hahafahana mamatsy ny toeram-pidiovana sy ny fivoahana izay mampikolay ireo mpampiasa azy.
Efa nanomboka omaly, araka izany, ny fizarana ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra eny amin’ny oniversiten’ Ankatso. Hisitraka izany koa ny any amin’ny faritra, araka ny lamin’ny tetiandro efa navoaka.
Tatiana A