“Miantso ny Ceni sy ny HCC tsy hitanila ary hampihatra ireo fahefana omen’ny lalàna azy ka handray andraikitra manoloana ny tsy fanarahan-dalàna maro mitranga”. Io ny fanambaran’ny vovonana Firaisankina novakin’ny filoha mpiara-mitantana, Ravalomana Marc, teny Faravohitra, ny faran’ny herinandro teo, amin’ny fiatrehana ny fampielezan-kevitra hanomboka rahampitso. Araka izany, miantso ny sehatra rehetra amin’
izao fifidianana izao samy handray andraikitra tandrify azy avy ry zareo. Mba hizoran’ny fampielezan-kevitra ao anatin’ny fanarahan-dalàna sy ny filaminana tanteraka izany.
Miantso ny fitondram-panjakana hampitsahatra ny fampiasany ny fahefam-panjakana sy ny fitaovam-panjakana ary ny mpiasam-panjakana ho an’ny kandidà mandritra ny fampielezan-kevitra. Mitaona ny Ceni hanatanteraka ny asany ara-potoana ao anatin’ny tsy fiandaniana ary ny fahaizany matihanina tanteraka. Manainga ny fiarahamonina sivily hanamafy ny fanabeazana sy fanentanana ny mpifidy ary hanara-maso eo amin’ny tsy fanarahan-dalàna mety mitranga. Miantso ny mpifidy tsy ho variana amin’ny endrika sy fisehoana ivelany ary ny fampanantenana feno fitaka, fa hifantoka tanteraka amin’ny hevitra hitondrana firenena izay hasehoan’ireo kandidà.
“Takinay amin’izao fampielezan-kevitra izao àry ny fahafahan’ny kandidà rehetra haneho ny heviny sy handresy lahatra malalaka ny mpifidy, ny fitovian-jon’ny kandidà rehetra tsy misy fanavakavahana sy fanilikilihana, ny fandraisana fepetra sy fanasaziana ireo rehetra izay mandika lalàna”, hoy izy ireo.
R. Nd.