Basikety- Acnoa : tafita amin’ny manasa-dalana ny Ankoay

Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy. Taorian’ny fandresena telo tamin’ny lalao telo, nataon’ireo Ankoay U18, lahy sy vavy, nandritra ny fifanintsanana isam-bondron’ ny lalao Acnoa, faritra fahafito, izay natao ny alarobia lasa teo, tany Seychelles, tafita amin’ny manasa-dalana izy ireo.
Araka ny vaovao voaray, hifanandrina amin’ny Malagasy mpilalao vehivavy, i Comores, raha toa ka i Seychelles, mpampiantrano ny an’ny lehilahy. Tsara marihina fa efa resin’izy ireo tany amin’ny vondrona nisy azy avy i Comores sy i Seychelles. Tsara ny mampahafantatra fa hifarana ny 11 mey ho avy izao ity lalao ity.

Fitia Randria

Ireo voka-dalao nandritra ny fifanintsanana
isam-bondrona :
Vehivavy
Madagasikara (21)-(0) Maurice
Madagasikara (21)-(1) Comores
Madagasikara (21)-(0) Seychelles
Lehilahy :
Madagasikara (21)-(0) Maurice
Madagasikara (13)-(0) Comores
Madagasikara (20)-(7) Seychelles

Partager sur: