Ceni : “Ho tonga ara-potoana eny amin’ny distrika ny biletà tokana”

Tonga teny Ivato, afakomaly, ny biletà tokana natonta tatsy Afrika Atsimo. Nitsena zany teny an-toerana ny filohan’ny Ceni sy ny mpiara-dia aminy.

“Tonga tokoa ny takelaka saro-pady, ahitana ny fitanana an-tsoratra, ny fanisam-bato, ny biletà tokana, ny valopy tsy azo sokaf­ana”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, tamin’ny fandraisana ny fahatongavan’ny biletà tokana amin’ny fifidia­nana depiote teny Ivato, afakomaly. Hanomboka anio ny hanaparitahana izany, ary ho tonga ara-potoana eny anivon’ ny distrika 119. Vola 900 000 dolara amerikanina avy amin’ ny kitapom-bola iraisana amin’ ny mpiara-miombon’antoka no nenti-nanana ny biletà tokana tatsy Afrika Atsimo, ary ny fanjakana malagasy no niantoka ny fitaterana sy fanaparitahana azy. Nanomboka afakomaly ny fampielezan-kevitra amin’izay fifidianana depiote izay. Fanen­tanany ny mba hanaovana izany ao anatin’ny filaminana sy fanajana ny soatoavina malagasy dia ny fihavanana.
Efa nametra-pialana kosa ny talen’ny kabinetran’ny Ceni, Andriamifidy Jean-Louis, mialoha ny nandraisany anjara amin’ny fanohanana kandidà, araka ny fanazavany. Tsy tokony hampiroaroa saina ny amin’ izay. Manaja tanteraka ny soatoavina mifehy azy ny Ceni. Olon’ ny lalàna ny talen’ny kabinetra. Tsy tokony hahatonga resabe ny amin’izay. Sa­fidy ny azy han­dray anjara amin’ny asa fampandrosoana ny faritra misy azy. Izay no nametrahany fialana amin’ny maha talen’ny ka­binetra azy. Tsy azo atao ny hoe talen’ny kabinetra sady manao ny asa fampandrosoana any amin’ny faritra, indrindra hanao fanehoan-kevitra politika.

R. Nd.

Partager sur: