Manodidina ny 13 500 taonina ny voka-boanjo ao amin’ny faritra Menabe manontolo, tamin’ity taona ity. Izany hoe, niakatra 32% ny vokatra raha oharina tamin’ny taon-dasa. Antony nahazoana izany ny tohana nomen’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, tamin’ny alalan’ny tetikasa Purpa sy ny talem-paritra ao an-toerana ary ny FDA Menabe. Nety tamin’ny fambolena ihany koa ny rotsakorana tao anatin’ny distrika dimy mandrafitra ny faritra (Manja, Miandrivazo, Mahabo, Belo Tsiribihina, Morondava). Ankoatra izay, mahatratra 2 055 ireo mpamokatra nahazo tohana nandritra ny taom-pambolena. Noho izany, mitotaly 57,5 taonina ny masomboly voanjo voazara raha 246,6 taonina kosa ny zezika. Nahazo tohana ara-teknika ihany koa ireo mpamokatra nisitraka hanam-pamokarana. Ankilany, nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fanampiana ny mpamokatra ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka samihafa, toy ny USAID Mikajy sy ny DURRELL. Nanome torohevitra ho an’ireo mpamokatra ny minisitera fa ny volana jona sy jolay no fotoana tsara hanombohana ny fambolena voanjo.
Henintsoa H.