Fepetra iray takin’ny maha mpikambana antsika ao anatin’ny vondrona iraisam-pirenena momba ny varotra (OMC) ny fanolorana ny politika ara-barotra. Tonga eto Madagasikara miatrika ny fivoriana fanangonan-kevitra mahakasika izany ny tomponandraikitra ao amin’ny OMC. Nanomboka ny talata teo ka haharitra telo andro ny fivoriana izay iharahana amin’ireo departemantam-panjakana misy ny minisiteran’ny Fampiroboboana ny indostria sy ny varotra izay mandrindra ny politikam-panjakana momba ny varotra sy ny sehatra tsy miankina. Atolotra isaky ny fito taona ny ity politika ity, ka hatao ny volana febroary 2025 ny fanolorana fahefatra raha toa ka tamin’ny volana jolay 2015 ny fahatelo. Tanjona ny hamantaran’ireo mpikambana ny politika ara-barotra sy manitsy izay tokony hatsaraina. « Tatitry ny governemanta » no iantsoana izany atontan-taratasy izany, satria ny tompon’andraiki-panjakana sy ny sehatra tsy miankina rehetra no mandalo mifampiresaka amin’ny iraka avy amin’ny OMC sy ny minisiteran’ny varotra, hoy ny fanazavana voaray. Mahasahana departemanta rehetra ny varotra ka ahitana ireo soritra lehibe sy fanazavana amin’ny an-tsipirihany ny politika any amin’ireo departemanta tsirairay ny atontan-taratasy hivoaka. Ahafahana manatsara ny tontolon’ny fandraharahana ihany koa izany, satria antoky ny fampandrosoana ny toekarena.
Henintsoa H.