Filoha Rajoelina Andry: hampiroboroboina ny angovo azo havaozina

Ao anatin’ny ezaka fanatsarana sy fitadiavana fiaraha-miasa amin’ireo firenena sy fikambanana avy any ivelany ny fitondram-panjakana. Mihatsara ary mitombo hatrany ireo firenena sy fikambanana miara-miasa amin’i Madagasikara, eo amin’ny sehatra maro.

Tontosa omaly, tao Abu Dhabi, ny fihaonana teo amin’ny filohan’ny Re­pob­lika, Rajoelina Andry, sy ny talen’ny Agence internationale pour les enérgies re­nouvelables (Irena), Fran­ces­co La Camera. Noresahin’ny roa tonta, tamin’izany, ny toerana misy an’i Madagasikara amin’ny fampiasana angovo azo havaozina sy ny mety ho fiaraha-miasa manoloana izany. Nandritra izany ihany koa no nanehoan’ny filohan’ny Repoblika ny fahavononan’ny fanjakana malagasy hiroso amin’ny fampiasana azy ity sy ny paikady manoloana izany. Tanjon’i Madagasikara ny hampitombo avo roa heny ny famokarana herinaratra amin’ny fampiasana io angovo madio io. Eo ihany koa ny famatsiana herinaratra sy ha­zavana ho an’ny 75% ny to­kantrano malagasy, hatramin’ny taona 2030.

Fikambanana iraisam-pirenena natokana ho fampiroboroboana ny angovo azo havaozina ny Irena. Izy io ihany koa no sehatra lehibe ho amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena momba ny izany. Mahafantatra ny maha zava-dehibe ny firosoana amin’izany fampiasana ny angovo azo havaozina izany ny filohan’ny Repoblika ho fampandehanana ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara. Naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ity fikambanana iraisam-pirenena ity ny filoha Rajoelina Andry. Na­neho ny fahafaham-pony ary vonona ny hiroso amin’ny fa­natontosana ny fiaraha-miasa, eo amin’ny andaniny sy ny ankilany ihany koa ny talen’ny Irena, tetsy ankilan’izay.

Lin

Partager sur: