Xhi sy M’aa. Anarana mitakosina amin’ny tantaran’ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy izany. Nifindra tontolo i Xhi, nodimandry ny alarobia lasa teo. Banga ny tontolon’ny kolontsaina.
«Noho ny fihavanana dia mampandre anareo izahay fa niamboho
ny Tsimitoviaminandriandehibe Rajaofetra Guy », hoy ny fianakaviany.Toy ny vara-datsaka ny vaovao ho an’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina, satria ny iray amin’ireo andrarezina no lavo. Nifindra any amin’ny tontolo hafa i Xhi, ilay mpanakanto maroafitsoka nitondra rivo-baovao teto Madagasikara tany amin’ny fiandohan’ny taona 70 tany. Poeta, mpanoratra, mpamoron-kira sy mpihira, mpanao hosodoko, mpikaroka ny tantara sy ny fomban-drazana, mpikaroka momba ny teny sy ny niandohan’ny olombelona, injeniera eo amin’ny sehatry ny fizika, nandalina manokana momba ny fanandroana, sikidy, sns.
Ny « Besorongola », « Voankazo manta kisoka », hiran’i Xhi sy M’aa, nahafantarana azy ireo voalohany. Rehefa avy nanohy ny fianarana tany ivelany, niverina an-tanindrazana ka sady nitondra ny rivo-baovaon’ny mozika, no nivoy ny maha Malagasy. Nitondra ihany koa ny solon’anarana Dia-dio Rasalama ihany koa i Xhi raha toa ka Dia Hanitrinielabe kosa ny an’i M’aa. Taorian’ny nahazoan’izy ireo zafy anefa, navadika ho M’aa sy Xhi indray no fiantsoana azy…
Nitazona andraikitra lehibe
Ny tontolon’ny hosodoko no tena nipetrahan’ny ny anaran’i Xhi sy M’aa. Anarana tsy nisaraka intsony vao nikambana, satria nifameno ary niarahana avokoa izay natao ho an’ izy mivady. « Faratampon’ny zavatra misy ny zavakanto, hamoahana ny zavatra tsy voavoaka. Andraikitra lehibe amin’ny fiarahamonina ka tsy maintsy havoaka ilay kolontsaina avy amin’Andriananahary », hoy i Xhi.
Nanakorontana ny rafitra efa napetraky ny sasany ireo voka-pikarohana novoizin’i M’aa sy Xhi, indrindra mahakasika ny niandohan’ny Malagasy sy ny teny malagasy. Nisy ireo nanao ho fihomehezana izany, kanefa nanongilan-tsofina sy nanopy maso ihany. Tsy nampihemotra an’i M’aa sy Xhi izany, satria efa fantatr’izy ireo ela ny andraikitra nomen-Janahary azy ireo. Ao amin’ny rovany eny Ambohimandroso, no misy ny nofo mangatsiakan’ny Tsimitoviaminandriandehibe Xhi. Hafenina ny alahady izao eny Vinany Ambohimamory izy.
Zo ny Aina