Mbola manjaka sy miseho amin’ny endrika samihafa ny olan’ny fananan-tany eto Madagasikara. Tsy mitsaha-mirongatra izany tao anatin’ny 20 taona.
Anjakan’ny olana saro-bahana sy mahazo vahana ny fananan-tany. Nilaza ny sehatra iombonan’ny fananan-tany (SIF) fa mifototra amina teboka telo ny endrika isehoan’ny olan’ ny fananan-tany eto Madagasikara. Ao ny olana ateraky ny fanoratan-jo fananan-tany dia ny fangatahana titra na famindrana titra amin’ny alalan’ny fandovana, fifampivarotana, fanolorana ary fifampizarana. Manampy izany ny olana ateraky ny satan-tany lany andro, toy ny tany misoratra amin’ny voanjo (terrain titré au nom de colon), ny kadasitra tsy tontosa hatramin’ny farany ary ny olana ateraky ny fibodoana tany ataon’ireo orinasa na mpampiasa vola vaventy. Tafiditra ao anatin’izany ny fanesorana ny olona mampiasa ny tany raha misy ilain’ny fanjakana ny tany « Mitarika olana hafa amin’ny endrika maro ireo olan’ny fananan-tany ireo eo amin’ny fiarahamonina, toy ny tsy fandriampahalemana, ny fifindra-monina, disadisa eo amin’ny samy mpianakavy », hoy ny talen’ny SIF, Rakotomalala, nandritra ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny mpisehatra amin’ny fananan-tany, ny alarobia teo, teny Antaninarenina. Nohamafisiny fa tsy nahitam-piovana ireo olana rehetra ireo tao anatin’ny 20 taona. Noho izany, mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanatsarana hatrany ny fitantanana ny fananan-tany ny SIF.
Jeritany
Rafitra iray ahafahana manangona ireo antontan-kevitra momba ny olan’ny fananan-tany, ny Jeritany, apetraky ny firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny fananan-tany. Hohalalinina amin’ny antsipirihany avokoa ireo antontam-baovao samihafa, hisintomana vahaolana azo dinihin’ireo mpanatanteraka isan-tsokajiny sy isan’ambaratongany, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Henintsoa Hani