VAOVAO TAMBATRA

Miantraika amin’ny tsena anatiny ny tsy fahamarinan-toeram-bidin’ny cacao eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mahatratra 12 000 dolara ny iray taonina amin’ny cacao ny tapaky ny volana avrily teo, raha 4 000 dolara izany tamin’ny fiandohan’ny taona. Tsy ampy ny cacao ao Ambanja, tsy misy indostria ihany koa ao an-toerana.

Horaisin’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana sy kojakojan’ny lalamby mahahakasika ny tetikasa fitaterana an-dalamby « train urbain » eto Antananarivo. Tsiahivina fa hiasa manomboka ny taona 2025 ny train urbain ka handeha amin’ny herinaratra.

Nomarihina omaly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanalahy. Biby mandady sy miavaka izy ity noho izy mahay miova loko. Manana maso afaka mihodinkodina ihany koa izy raha oharina amin’ny biby hafa. Marihina fa miisa 298 ny karazana tanalahy maneran-tany ka hita eto Madagasikara avokoa ny 97, anisan’izany ilay tanalahy faran’ny kely indrindra.

Seha-pihariana anisan’ny mahasarika ny maro ny fiompiana trondro noho ireo tombontsoa samihafa hoentiny. Azo hiompiana trondro avokoa izay toerana ahitana loharano sy tohodrano rehetra. Vinan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga rahateo ny hametraka dobo fiompiana trondro amin’ny toerana misy tohodrano sy loharano eto Mada­gasikara

Partager sur: