Tsy honohono intsony fa efa iainana ankehitriny. Malagasy tsy manana tanin-drazana. Malagasy tsy mahay miteny malagasy. Malagasy tsy mahalala ny « dian’ny vary ». Malagasy tsy mahafantatra ny rohintany… Raha ireo ampahana ohatra ireo no hiaingana, very fototra ny Malagasy. Tsy mijanona hatreo anefa fa, ny tanora mampiseho foitra. Ny ankizy mamingavinga lehibe. Ny lehibe manao tsinontsinona ny hasina maha olona, sns.
Ny Malagasy fahagola, tsy Malagasy anio intsony. Tsy ny vatana no voabango ao anatin’ io fa ilay « fanahy maha olona » mihitsy. Io ilay fototra very ao amin’ny Malagasy. Na ireo heverina ho fitaratra aza, tsy mahatafita fahalalana any amin’ny hafa noho ny antony maro. Ireo tokony handray izany rahateo efa sesiky ny tsy azy.
Vitsy amin’ny Malagasy sisa no afaka mananatra ny zanany vokatry ny tahotra. Tahotry ny ho voatsara. Misalasala noho ny tsy fahalalana. Mitaintaina sao tsy haharesy ny an’ny vahiny (hevitra, fisainana, fomba…). Ilaina ny miverina misava ny fototra fa antony iray mampitsingevana ny Malagasy ny tsy fanaovana izany!
HaRy Razafindrakoto