Volan’ny teny malagasy: hiray sehatra ny kabary, hiragasy, varibemenaka

Hafa noho ny fahita hatramin’izay! Volana jona, hanamarihina ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Ho an’ity taona ity, hisy hetsika lehibe hotanterahina ny 1 jona, manomboka amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny zaridainan’Ando­halo. Fotoana hanasongadi­nan’ny kanto telo mampiavaka ny kolontsaina malagasy: kabary sy hiragasy ary varibemenaka.
Haneho ny hasin’ny teny malagasy ry zareo avy ao amin’ ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany). Ho an’ny hiragasy, hifandona sy haneho ny maha lova sarobidy ny teny malagasy ao anatin’ny hiragasy ny tarika Razafin­dra­manga Berthine avy any Am­bohimanjaka sy Rakotomavo Pierre avy any Ambatoan­trano. Hifanindran-dalana amin’ ireo ny fahaizan’ny Mala­gasy mampiasa ireo zavaboahary eo aminy ka ahafahany ma­handro ny varibemenaka.
Anisan’ny zavakanto sy kolontsaina malagasy telo mifameno sy mifanaraka hatrany ny kabary sy ny hiragasy ary ny varibemenaka. Amin’ny fotoam-pamadihana, ohatra, hialohavana kabary ny lanonana. Arahina fihinanana varibemenaka sady mihanoka ny hiragasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: