Maty voahitsaky ny kamiaobe ny renim-pianakaviana iray 27 taona tao Ambohimanambola, afakomaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Nandalo ny arabe io fiara mpitatitra entana io. Naka sisiny avokoa ny mpandeha an-tongotra rehetra. Niloloha entana anefa ilay ramatoa kanjo nidona tampoka tamin’ny tafontrano nandalovany ny entana teny an-dohany ka nianjera tamin’ny tany tao ambany kamiao. Nikoropaka namonjy ny entana io vehivavy io. Poa toy izay, nihisaka ny fiara ka voahitsaka teo amin’ny lohany izy. Nandriaka ny ra. Namoy ny ainy teo no ho eo io renim-pianakaviana io. Niparitaka nanerana ny arabe ny atidohany. Nilaza ho tsy nanampo na inona na inona ny mpamily ny fiara, araka ny fanazavan’ ny mpitandro filaminana misahana ny fanadihadiana. Notanana atao famotorana ny mpamily io fiara io. Natolotra ny fianakaviany ilay ramatoa nindaosin’ny fahafatesana vokatr’ity lozam-pifamoivoizana ity. Andrasana ny tohin’ny famotorana ataon’ny zandary.
Tsiferana R.