Basikety- Acnoa: miravaka volamena ny Ankoay, lahy sy vavy

Misongadina tanteraka ny Malagasy mpilalao amin’ny fifaninanana Acnoa, faritra fahafito izay atao ao Seychelles, sokajy lehilahy sy vehivavy, U18. Nandrombaka ny medaly volamena teo amin’ny taranja basikety 3×3 ny ekipam-pirenena Ankoay, lahy sy vavy, omaly, nandritra ny famaranana.
Ny vehivavy mpilalao, nanamontsana an’i Seychelles, mpampiantrano, tamin’ny isa mavesatra 21 no ho 0 raha toa ka lavon’ny lehilahy Ankoay, 21 no ho 9 i Comores. Tsy mbola resy mihitsy ireto mpilalao voafantin’i Madagasikara ireto nandritra ity fifanintsanana ity. Tsiahivina fa teo amin’ny manasa-dalana, resin’ny Ankoay vavy, 21 no ho 1, i Comores. Nahintsan’ny Ankoay lahy, 21 no ho 3, kosa i Seychelles.
Tsara marihina fa hifarana anio, any an-toerana, ny lalao Acnoa, faritra fahafito. Tsara ny mampahatsiahy fa nanomboka ny 6 mey teo ny fifanintsanana. Ankoatra ny basikety 3×3, nandray anjara tamin’ny Beach-volley sy tenisy ambony latabatra ary lomano ireo atleta malagasy 24 tonga tany an-toerana.

Fitia Randria

Partager sur: