Hifamezivezen’olona aman-jatony isan-kerinandro, manampy azy ireo amin’ny fitateram-bokatra, ny fahavitan’ny lalana mirefy 10 km mampitohy an’i Mahitsy sy Farahantsana, amin’izao fotoana. Nandray an-tanana ny fanavaozana io lalana io ny orinasa Tozzigreen nanomboka ny taona 2020 teo. Niara-nisalahy tamin’ny fifanomezan-tanana rahateo ny kaominina voakasika, toy ny ao Ambohimasina izay nanome ny akora nanatontosana ny asa. “Nijaly tanteraka ny mponina nifamezivezy tamin’io lalana io teo aloha. Milamina ny fitaterana ny vokatra mihazo ny tsenan’i Mahitsy ankehitriny”, hoy ny fanazavan’ny sefo fokontany Ambohidrazana, kaominina Ambohimasina, Rakotozafy Marcial. Nandany ora roa mahery tamin’ny dia an-tongotra izy ireo tamin’ny lalana mbola ratsy rehefa mitatitra ny vokatra, araka ny fanamafisany. Ankoatra io, kaominina efatra hafa koa misitraka tombontsoa manokana noho io fahavitan-dalana io. Marihina, niarahan’ny tomponandraikitry ny tanàna teny amin’ny manodidina sy ny orinasa Tozzigreen. Notokanana io lalana mirefy 10 km miainga ao Mahitsy mihazo an’i Farahantsana io, ny talata 7 mey teo.
Tsiferana R.