Fampandrosoana firenena : Ilaina fantatra ny asa hatao aorian’ ny fianarana

Nanome torohevitra sy fahalalana bebe kokoa ho an’ny mpianatra ny ONG sy ny sekoly tsy miankina iray eto an-dRenivohitra, omaly, tetsy Antaninarenina. Nisitraka iza­ny ireo mpianatra taona voalohany eo anivon’ny Intsitut Universitaire de Madagascar (IUM). Izy ireo izay manaraka ny lalam-piofanana fitantanana sy tontolon’ny varotra. Tanjona ny hanovana toe-tsaina eo amin’ny mpianatra, mba hampandroso ny tanindrazana sy ny tenany.
“Tsy ampy ny fampahafantarana omena ny mpianatra eny amin’ny oniversite mahakasika ny fidirana amin’ny sehatry ny asa. Misy fiantraikany goavana amin’ny fitadiavana asa izany zava-misy izany rehefa any aoriana », hoy Ratsifaranjaka Lanto, mpitantana ny oniversite.
Tena olan’ny ankizy mianatra eny anivon’ny oniversite ny tsy fahaizana sy ny tsy fahafantarana ny sehatry ny asa. Nilaza izy ireo fa ilaina ny fahaizana sy ny fiofanana mahakasika ny asa atao rehefa ao aorian’ny fianarana ka antony nanaovana ny valandresaka ho an’ireo mpianatra. “Nanao teknika foana nandritra ny fianarana tany amin’ny ambaratonga ambany ka antony nandrisika ahy hanaraka ny lalam-piofanana fitantanana”, hoy Rasoloarimanana, mpianatra. “Mampitombo fa­hal­alana mahakasika ny fiatrehana ny fitadiavana asa any aoriana ny valandresaka”, hoy ireo mpianatra. Amin’ny ankapobeny, ny tontolon’ny varotra sy ny fitantanana no tena mahasarika ny mpianatra amin’izao fotoana. Nilaza ireo mpianatra nanontaniana fa anisan’ny mora ahitana asa ireo lalam-piofanana ireo.

Mino

Partager sur: