Fampielezan-kevitra : mila manaja ny tsy fiandaniana ny mpiasam-panjakana

Voararan’ny lalàna ny fitanilan’ny mpiasam-panjakana amin’ny fanomanana fifidianana. Mila miala amin’ny andraikiny izay te hanao fampielezan-kevitra.

“Anjaranay ny mampahatsiahy ny tokony hanajana ny tsy fiandaniana. Ny mpiasam-panjakana dia an’ny vahoaka, tsy misy ny hoe tsy maintsy mankatsy na mankaroa”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, amin’izao fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana depiote izao. Samy manana ny safidy manokana ny tsirairay. Ny ankoatra an’izay, misintaka no marimarina kokoa raha te hanao fampielezan-kevitra. Eo amin’ny andraikitra misy ny tena, tsy manana fifandraisana amin’ny olona eo ambany fiahiana ny tena amin’izay fisintahana izay. Izay no anton’ny hoe mametra-pialana ny filohan’ny Repoblika am-perinasa, raha hirotsa-kofidina. Toy izany koa ny minisitra, ohatra. Noho izany, tokony hanaja ny tsy fiandaniana raha tsy voatery hametra-pialana ny olona manana andraiki-panjakana sy ny maha mpiasam-panjakana azy eo amin’ny sehatra isiany.
Misy ireo sokajina tomponandraiki-panjakana ambony efa nofaritan’ny lalàna fa ma­metra-pialana, rehefa mirotsaka ao anatin’ny fampielezan-kevitra na mirotsa-kofidina. Misy kosa ireo tsy voatery hanao izany, izay tokony hanaja ny tsy fiandaniana amin’ny asa ataony sy eo amin’ny raharaha politika mety misy azy. Samy mety manana ny firehan-keviny ny olona tsirairay, fa any amin’ny efitra fisainana amin’ny fifidianana no hanehoany an’izay. Tsy mety raha tomponandraikitra amin’ny fari-piadidiam-pampianarana, ohatra, manery ankolaka na mi­vantana ny mpampianatra eo ambany fiahiany, na tomponandraiki-pahasalamana manery ankolaka na mivantana ny dokotera eo ambany fiahiany hoe tsy maintsy manohana ny kandidà tohanany.

R. Nd.

Partager sur: