FANTINA sy FINTINA

Maromaro ireo tomponandraiki-panjakana ambony nesorina noho izy ireo kandidà depiote, araka ny fanapahan’ny filankevitry ny minisitra. Anisany ny kaonsily atsy La Reunion, i Tinoka Roberto, sy ny eo amin’ny BNGRC, Raholinario Paolo. Ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Savatsaraha Raby ary ny filohan’ny oniversiten’i Toliary.
Resy teny amin’ny fitsarana miady amin’ny fanjakana tamin’ny fitoriana nataony ireo sefo fokontany miisa 14 etsy amin’ny boriborintany fahefatra. Mitsa­hatra amin’ny asany izany izy ireo, manomboka izao. Tsiahivina fa nilatsaka ny herinandro teo ny fanapahan’ny eo anivon’ny distrika manala azy ireo amin’izany toerana izany.
Vonona ireo loholona hiverina hivory raha misy ny hamehana ka ilana azy ireo, araka ny nambaran’ny loholona, Andrianandrasana Haja. Nambarany fa ilaina ny fanatontosana ny fifidianana ary manan-jo hanohana kandidà izy ireo. “Tsy voararan’ny lalàna ny fandraisanay anjara amin’ny propagandy ka hanohanana ny kandidàn’ny Irmar”, hoy izy.
Efa lasa naterina manerana ireo distrika miisa 120 ireo taratasim-pifidianana rehetra. Nanainga omaly avokoa ny ankamaroan’ireo fitaovana ireo, taorian’ny fahatongavany teny Ivato, afakomaly. Anisan’izany ny biletà tokana sy ireo taratasy saro-pady, toy ny fitanana an-tsoratra ny voka-pifidianana.

Partager sur: