Fianarana any Etazonia: mila faharetana ny fitadiavana oniversite

Nampahafantatra ny dingana rehetra tokony harahina ny Education USA amin’ny hanohizana fianarana any Etazonia. Anisan’izany ireo voambolana matetika hita rehefa hanomboka hitady oniversite. Mila fantatra ny rafi-pampianarana any Etazonia, ny karazana sekoly tiana hianarana sy ny diplaoma tiana ho azo.
Misy ny karazana oniversite manome fampiofanana 2 taona. Manomana ny mpianatra hiatrika ny sehatry ny asa avy eo sady manohy fianarana ihany.
Rehefa nahavita nianatra nandritra ny 4 taona dia mahazo diplaoma Bachlor’s degree izay hiampitana any amin’ny Masters Degree Program…
4 000 ny oniversite any Etazonia ka mila fantatra ny oniversite tiana hidirana. Ireo fepetra takin’ilay oniversite sy ny soa fanararaotra afaka sitrahina amin’izany. Ny fahafantarana izany dia hahafahana mandroso amin’ny dingana rehetra.
Manan-danja be izany satria mandray ny safidy matotra tsara ny oniversite. Malalaka ny fifandraisana amin’ny Education USA raha misy fanazavana fanampiny tiana ho fantatra. Mitaky fotoana maharitra ny fifantenana ny oniversite. Efa misy ny karazana rohy ahafahana mikaroka oniversite. Misy koa ny fikarohana ireo lalam-piofanana izay tiana harahina.
Samy manana ny mampiavaka azy ny oniversite tsirairay, vatsim-pianarana, saram-pianarana, trano fandraisana mpianatra, ora fandraisana antontan-taratasy, lalam-piofanana… Mila hajaina avokoa izany hampahomby ny dingana rehetra hatao.
Fanirian’ny tanora malagasy maro ny hanohy fianarana any Etazonia. Mila fikirizana, finiavana ary fikarohana nefa izany.

Tatiana A

Partager sur: