Mandeha ny fampielezan-kevitra. Samy manao izay paikady enti-mandresy lahatra ny mpifidy ny rehetra. Ho an’i Toamasina I, fotoam-pivavahana no nanombohana izany.
Efa naneho tamin’ny fomba maivamaivana ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra ireo kandidà efatra amin’ireo dimy mifaninana eto Toamasina I. Tsy mbola tazana kosa ny kandidà iray fahadimy na mbola eo am-pandrafetana ny paikady angaha.
Samy nanokatra ny propagandiny tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana ireo kandidà ny tapakandro maraina, ho an’ny andro voalohany, ny alarobia teo. Anisan’izany ny kandidà laharana fahadimy sy ny faharoa. Samy namory vahoaka avy eo ny tolakandro ka tetsy Ambohijafy ny kandidàn’ny Firaisankina, tarihin-dRandriantsalana Jackie, raha tetsy Tanambao fahadimy kosa ny laharana faharoa, tarihin-dRanjaonary Sylvstre na i Coco Velogna. Nanohy ny fidinana ifotony amin’ny alalan’ny fitsidihana ny isan-tokantrano kosa ny an’ny laharana fahatelo, Irmar, tarihin’i Naharimamy Lucien.
Ho an’ny kandidàn’ny Kolektifa ho an’ny Malagasy, Ratsiraka Roland indray, rodombe amin’ny fiara arahina zavamaneno sy fanentanana nanerana ny tanàna no nataon’ny mpanara-dia azy.
Nitohy ny alakamisy teo izany ka fampielezan-kevitra amin’ny alalan’ny antsoantso eny ambony fiarakodia avokoa no nataon’ireo kandidà.
Sajo sy Synèse R.