Harena an-kibon’ny tany: mivelatra ny sehatra iasan’ny Omnis

Voafaritra avokoa ireo paikady vaovao ataon’ny Ofisin’ny harena an-kibon’ny tany nasionaly sy ireo indostria stratejika (Omnis) amin’ny fikarohana sy fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Laharam-pahamehana ny fampandrosoana ny toekarena amin’ny alalan’ny fikarohana atao.

Notanterahina omaly, teny amin’ny Mining Business Center Ivato, ny fihaonamben’ny Ofisin’ny harena an-kibon’ny tany nasionaly sy ireo indostria stratejika (Omnis). Voafaritra nandritra ny fivoriana natao ny vina sy paikady hamaritana ireo fomba fiasa vaovao ho an’ny fampandrosoana ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Sampandra­haraha miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany izay miandraikitra ny fikarohana sy fitrandrahana izany toy ny solika sy ny entona ary ireo singa mineraly ny Omnis. «Hama­ritra ny lalàna entiny ny Omnis, taorian’ny fandaniana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany sy ny andraikiny vaovao», hoy ny fanazavan’ny Tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny Omnis, Lalanirina Ranoroa­risoa. Nanamafy izay ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herin­drainy Olivier, raha nanazava fa “hiandraikitra ny fikarohana rehetra momba ny harena an-kibon’ny tany ity sampandraharaha ity. An­draikitra goavana mitaky fandinihina lalina izany, ilana tohana sy famatsiam-bola maro». Noho izany, nodinihina, nandritra izany, ny fomba hitondrana sy handrindrana ny asa atao rehetra.
Vina
Novelabelarina tamin’ny mpiara-miasa rehetra eo anivon’ity sampandraharaha ity, nandritra ny fivoriana natao omaly, ny paikady handrafetana ny fomba fiasa mandritra ny dimy taona (2023-2027) ho an’ny fampandrosoana maharitra ny fitrandrahana hatao eto Mada­gasikara. Hojerena manokana ny momba ny fampiasana ny teknolojia sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpamatsy vola, hamaliana ny vinan’ny indostria mpiantsehatra amin’ny fitrandrahana. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny fikarohana mifandraika amin’ny fampandrosoana maharitra. Mison­gadina ao anatin’izany ny fitoniana ara-bola izay mandrindra ny fampandrosoan’ny sehatry ny toekarena sy ny sosialy eto Madagasikara izay miantoka ny hoavy mamiratra ho an’ny firenena.

Henintsoa Hani

Partager sur: