Nahatrarana basy dimy: maty voatifitra i Njara Kelialoka

Dahalo am-polony nikasa hanafika tanàna iray tao Ambatofinandrahana. Maty voatifitry ny zandary ny iray. Sarona ny basy mahery vaika miisa dimy.

Ravan’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona ny fanafihana mi­tam-piadiana nokasain’ny da­halo am-polony hotontosaina tao amin’ny tanànan’Andra­velona, fokontany Tsimama­liavona, kaominina Fenoarivo, distrikan’Ambatofinandrahana, ny 8 mey teo tamin’ny 2 ora tolakandro. Nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny Kalachnikov sy basim-borona ireo dahalo. Nirodorodo handroba ny omby tao amin’io tanàna io. Nikoropaka avy hatrany ny fokonolona rehefa nahare ireo olon-dratsy. Niantso ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana izy ireo. Nidina teny an-kianja avy hatrany ireo zandary miasa ao amin’ny kaominina Fenoarivo. Efa nangorona ny omby tao am-bala sady nitifitra anefa ireo dahalo, tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro.

Nifampitifitra
Nampiasa ny basy teny aminy nitifirana ireo zandary hanakana azy ny dahalo. Tetsy ankilany, nanao izay ho afany nisamborana ireo olon-dratsy ny fokonolona sy ny zandary miisa dimy. Naharitra ora iray teo ho eo ny fifandonana. Vokany, lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana i Njara Kelialoka. Dahalo ikoizana amin’ny halatra omby hatry ny ela izy. Nitsoaka nandositra avokoa ireo namany saika niara-nanatontosa taminy ity halatra omby tsy tanteraka tao Fenoarivo ity. Basy miisa dimy latsaka teny amin’ireo dahalo. Kalachnikov ny iray, basy natao tanana ny telo ary basim-borona ny iray. Mitohy ny fikarohana ireo dahalo tafaporitsaka.

Tsiferana R.

Partager sur: