Rugby vehivavy – «Can 2024»: hiady izay ho any Londres ny Makis sy ny Springboks

Famaranana goavana! Hifanandrina amin’ny Makis Ladies Madagasikara ny Springboks Afrika Atsimo rahampitso, eto Antananarivo. Fihaonana farany izay tafiditra amin’ny fifaninanana “Rugby Africa Cup 2024”, sokajy vehivavy.

Ho fantatra rahampitso alahady, eny amin’ny Kianja Makis Andohata­penaka, izay ekipa hisolontena an’i Afrika, hiatrika ny “Mondial 2025”, taranja rugby vehivavy lalaovina olona 15. Hiady izany tapakila izany ny Springboks Afrika Atsimo sy ny Makis Ladies Madagascar. Lalao famaranana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (CAN 2024), ihany koa izy ity.
Raha tsiahivina, samy tsy mbola resy ny roa tonta nandritra ny fifanintsanana. Ekipa diso mifankahalala tsara ra­hateo izy ireo. Hanala vela amin’ity, ny Makis Ladies. Hangotraka, araka izany, ny fifandonana eo amin’ny roa tonta. Hiezaka hanohitra ireto andrarezin’ny rugby aty Afrika ireto ny Makis. Hanao izay fara heriny, handresena ny tovovavy malagasy. Hiatrika ny “Mondial 2025” hatao any Londres sady hanao ny
“Mon­dial 2è Division”, any Durban Afrika Atsimo, ny volana jona izao, izay tompondaka eo.
Hanao ny “Mondial 3è Division” any Dubaï kosa, ny faran’ny volana septambra sy ny fiandohan’ny volana oktobra, izay faharoa.
Hanokatra ny fotoana rahampitso ny fifanandrinan’i Kenya sy i Cameroun. Adin’ny samy resy ireo. Hiady ny laharana fahatelo izy ireo. Hanana ny lanjany ihany koa ny lalaon’ny roa tonta satria midina any amin’ny sokajy “B” izay farany eo. Araka izany, tsy maintsy hanao izay hijanonana ao amin’ity vondrona ity, na ny andaniny na ny ankilany. Tsara ny mampahatsiahy fa mbola manatanteraka valin’
ady amin-dry zareo Angoley ny Liona Kameronina.

Tompondaka

Partager sur: