Sarimihetsika malagasy : hiatrika ny “Festival d’Annecy” ny « Ala fady »

Mitombo indray ireo Malagasy mpanatontosa sarimihetsika nandresy lahatra ireo avy any ivelany. Hetsika lehibe eo anivon’izany, anisan’ireo efa ela sy manana ny maha izy azy, ny “Festival d’Annecy”. Izay indrindra ny maha fanararaotra lehibe ny fandraisana anjara aminy.

Tanterahina ny 9 jona hatramin’ny 15 jona 2024, ao Annecy Fran­ce, ny “Festival d’Annecy 2024”. Hetsika mampivondrona ireo kalaza amin’ny fahaiza-mamorona sy fampiasana tekinikam-pamokarana sarimihetsika. Ahitana fifaninanana sy atrikasa ary fizarana sy fifampizarana fahaiza-manao mandritra ny hetsika. Anisan’ ireo voafantina hifaninana mandritra izany ny sarimihe­tsika malagasy “Ala fady”. Sarimihetsika anisan’ny novolavolaina tao anatin’ny tetikasa “Anim’ato Mada”, nandritra ny hetsika “Madagascourt Film Festival”.
Mitohy ny fahombiazana ho an’ny “Ala fady”, taorian’ny tao anatin’ny “Anim’ato Ma­da”. Raha tsiahivina, tanta­ran’ny tanora mpaka sary sy mpanao gazety nahita tam­bajotrana tsiambaratelo sy kolikoly, tao amin’ny tanàna iray eto Madagasikara, mifandray amin’ny angano momba ny zazavavindrano, izay nitarika ankamoaka momba ny razambeny sy fanovana ny fahitany ny tenany ity tantara ity. Ma­neza, Malagasy mpanoratra sy mpanatontosa sarimihetsika, sy Augusto Za­novello, teratany Italianina no niara-nisalahy nanatontosa
ity sarimihetsika ity. Maharitra 65 minitra ary miendrika sarimiaina ny “Ala fady”. Tantara ha­nehoana sy hampaha­fantarana ny zava-misy eo amin’ny tontolo iainana sy ny fomba aman-kolontsaina maro misy eto Madagasikara izy ity.
Matihanina 12 000 isa
Efa hatramin’ny taona 1960 no nisian’ny “Festival d’Annecy”. Mahatratra 12 000 isan-taona ireo matihanina eo amin’ny fahaiza-mamorona sy mampiasa tekinikam-pamokarana sarimihetsika, avondron’ity hetsika ity. “Le Cristal” no anaran’ny amboara hiadiana mandritra ny fifaninanana. Misy ihany koa ny “Marché internationale du film d’animation” (mifa) mandritra ny hetsika. Sehatra natao hifanakalozana ara-barotra ho an’ireo liana amin’ny sarimihetsika mifaninana amin’ny hetsika.

Lin

Partager sur: