Sehatry ny fahasalamana : hivondrona ireo holafitra isan-tsokajiny

Tanterahina any Maha­janga, ny 14 ka hatramin’ny 16 mey izao, ny Andron’ny Holafitry ny fahasalamana. Nanazava ny filohan’ny Hola­fitry ny farmasianina, Rakoto­malala Tantely, fa fampahafantarana ny antom-pisian’ny holafitra no atao mandritra ny 3 andro. Misy amin’ireo mpiantsehitra amin’ny fahasalamana no tsy mahafantatra akory ny antom-pisian’ny holafitra. Ankoatra izay, fanehoana ny maha iray ny holafitra ny hetsika. Hifampizara traikefa sy fahaiza-manao ny rehetra. Iray ny tarigetra dia ny fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka.
Tamin’ny taon-dasa no nisy hetsika voalohany ho an’ny Holafitry ny fahasalamana, teto Madagasikara, izay natao tany Toamasina. Am­pi­sehoana ny maha iray ny Holafitry ny fahasalamana.
Hisy ny fanentanana ny mpianatra momba ny antom-pisian’ny holafitra satria izy ireo no ho matihanina amin’ny sehatry ny fahasalamana ao aoriana. Nosafidiana i Ma­hajanga hanaovana ny hetsika satria hita any ny fampianarana ara-pahasalamana maro.

Tatiana A

Partager sur: