Notanterahina nanomboka omaly, teny Ambatobe, ny fifaninanana hazakazaka anaty natiora, “Utop”, andiany faha-15. Mahatratra roa arivo mahery ireo olona nisoratra anarana tamin’izany, ka teratany vahiny avokoa ny 250 amin’izy ireo.
Norombahin-dRandriambololomanana Tsiaro, Malagasy mpitsara, ny amboaran’ny “Arbitre le plus prometteur” nandritra ny “Cosafa Award”, ny taona 2023, izay natao tany Afrika Atsimo, ny alakamisy lasa teo. Tsara marihina fa nanotrona azy tany an-toerana ny sekretera jeneralin’ny FMF.
Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy mpilalao tenisy ambony latabatra. Miisa enina ireo medaly azon’i Madagasikara. Nandrombaka medaly volamena efatra sy medaly volafotsy roa izy ireo. Tsiahivina fa teo amin’ ny lalaon’ny tsirairay, adin’ny samy Malagasy ny famaranana. Norombahin’i Rhandy, lehilahy sy Oceane, vehivavy, ny volamena.