Samy efa nampahatsiahy ny HCC sy ny Ceni fa tsy azon’ny mpiasam-panjakana atao ny miandany na mitanila amin’ny kandidà. Tsy azon’ny eo anivon’ny Ceni atao koa anefa ny mitanila amin’ny kandidà.
“Efa vita ny fanofanana teny anivon’ny Ovec, ary nivoaka ny lisitry ny kandidà ho depiote. Amin’ izao fotoana izao, miroso hatrany amin’ny fanomanana sy fanatanterahana ny zotram-pifidianana ny Ceni”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, tany Morondava, renivohitry ny faritra Menabe, tamin’ny faramparan’ny herinandro teo, nanomboka ny fanofanana ireo sampana mpanisa vato eny anivon’ny disitrika (SRMV) sy ireo mpampiofana ireo mpikamban’ny biraom-pifidianana tany an-toerana. Anton’izany ny hahazoana mifehy ny ambaindain’ny asa eny anivon’ny rantsa-mangaikan’ny Ceni sy ny eny amin’ny biraom-pifidianana.
Fampielezan-kevitra anaty fanajana
“Ny hafatra avy aty aminay: manainga hatrany ny kandidà sy ny mpanohana azy ireo ary ny vahoaka malagasy rehetra mba hanao ny fampielezan-kevitra ao anatin’ny fanajana tanteraka ny soatoavina malagasy”, hoy izy. Tsy inona izay soatoavina izay fa ny fifanajana sy ny fihavanana. Atao ao anatin’ny filaminana tanteraka ny fampielezan-kevitra. Mba handeha antsakany sy andavany ny zotram-pifidianana. Atao ao anatin’ny fiarahana sy fiombonan-tsaina tanteraka izany mba hanatrarana ny tanjona: fametrahana ireo depiote izay ho voafidy amin’ ny fe-potoam-piasana manaraka eo.
R. Nd.