Beach Soccer – “Festival Mazavaloha”: Ekipa 10 hiady izay ho lohany

Hanomboka anio, any amin’ny torapasiky ny faritra Sambava sy Antalaha ny andiany voalohany amin’ny “Festival Mazavaloha” ka hisian’ny fifaninanana Beach Soccer na ny baolina kitra lalaovina ambony fasika. Li­gim-paritra folo no nandefa solontena amin’ity ary hiady izay ho lohany. Anisany i Melaky, Boeny, Atsinanana, Atsimo Andrefana, Vatovavy-Fitovinany, Analanjirofo, Dia­na, Sava ary Anosy.
Nambaran’ny tomponandraikitra, vaomiera misahana ny Beach soccer, eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) fa roa ny zava-kinendry amin’ity. Voa­lohany, hitiliana ireo mpilalao afaka handrafitra ny ho ao anaty Barea de Madagascar. Faharoa, ho fanomanan’ireo ligim-paritra isanisany, ny fifaninanam-pirenena hotanterahina any Manakara, ny volana jolay ho avy izao.
Anisan’ny tanjon’ny Fede­rasiona ny hamerina indray ny lazan’ny Beach soccer eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsiahivina mantsy fa efa tompondakan’i Afrika ny Barea Beach, ny taona 2015, ary niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, natao tany Portugal.
Raha tsy misy ny fiovana, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2024), amin’ity baolina kitra lalaovina ambony fasika ity, indray ny Barea de Madagascar, ny volana septambra ho avy izao. Ezaka voalohany hanatrarana izany ny fanatontosana ity fifaninanana any Sambava sy Antalaha ity.
Tsiahivina fa haharitra hatramin’ny alahady 19 avrily ho avy izao ity “Festival Mazavaloha” ity.

Tompondaka

Partager sur: