DAKA AN-JORONY: Faly miara-mitokiky, malahelo miara-mitakoko

Amoron-tevana indray amin’izao fotoana izao ilay taranja nampiray fo ny Malagasy sady nampiakatra avo dia avo ny lazan’i Madagasikara. Ny baolina kitra, ny tian-kambara amin’izany. Hivangongoan’ny olana tsy hita pesipesenina amin’izao fotoana izao, ny Federasiona malagasy (FMF). Ny eo tsy voavaha, ny eo misisika ihany. Toa manao fihavanan-takatra, faly miara-mitokiky, malahelo miara-mitakoko.
Na izany aza, misy ireo mpamosavy malemy, manao izay hampandamaka tanteraka ny baolina kitra malagasy. Mitady ny hevitra rehetra hanaovana be korontana, tsy ahitam-bahaolana. Ny fotoana ity miha manakaiky, ny amin’ny fifandonana amin’ny Coelacantes Comores. Ny kaomorianina, mitady ny fomba rehetra handresena ny Barea de Madagascar, amin’izany. Ny Malagasy, tsy miraika akory na dia indray mipi-maso aza. Atao ahoana fa faly miara-mitokiky, malahelo miara-mitakoko.
Hatreto, mbola baraingo ny kianjaben’i Mahamasina, na hahazo fankatoavana na tsia amin’ny handraisana izany fihaonana izany. Toy ny miandry valim-panadinana izany. Mitaintaina fatratra ny mpitia baolina kitra rehetra. Miandry amin’ny tahotra ny rehetra. Hiray hina ka raha mahazo, hiara-paly sy hitokiky raha sanatria ka mitsefotra hiara-kalahelo sy hiara-mitakoko.
Ny ady anatiny koa anefa tena manara dia manara. Tsy vitan’ny fifandaminana samy Malagasy intsony fa ho tonga any amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny raharaha eo amin’ireo klioba roa mifanenjana, amin’izao fotoana izao. Tsy misy voa amin’izany afa-tsy ny baolina kitra malagasy ka raha faly miara-mitokiky, malahelo miara-mitakoko.

Tompondaka

Partager sur: