Fakana an-keriny: jiolahy iray lavon’ny polisy

Avotra soa aman-tsara ny tovovavy iray nalaina an-keriny rehefa nidinan’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Mandritsara. Niafara tamin’ny fifandonana teo amin’ny polisy ireo mpaka an-keriny izany, ny sabotsy alina teo. Ny zoma hariva tamin’ny 6 ora sy 30mn, naharay antso ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Mandritsara fa nalain’ny jiolahy an-keriny ny tovovavy iray 20 taona, ka nogiazany tao Ambohi­mandroso Mandritsara. Tsy niandry ela ny polisy fa namonjy ilay toerana avy hatrany, tamin’io fotoana io. raikitra teo ny fifampitifirana satria tsy nanaiky hitolo-batana fa nitifitra ireo jiolahy. vokany, voatifitra teo amin’ny kibony ny jiolahy iray ka naratra mafy. Nezahina nentina namonjy hopitaly ihany ilay malaso saingy tsy avotra intsony ny ainy. Efa tonga any amin’ny ray aman-dreniny kosa ilay tovovavy nalaina an-keriny. Tsy mbola nisy fitakiam-bola, nandritra izany, araka ny fanamarihan’ny polisy hatrany.

J.C

Partager sur: