Hotanterahina ny 13 ka hatramin’ny 21 jolay, ao amin’ny nosy Boraha (Ste Marie), ny “festival des baleines” andiany fahafito. Homena lanja manokana mandritra izany ny mampiavaka ny sakafo malagasy. Manana ny lazany eto Madagasikara sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity hetsika ity, noho izy mampiroborobo ny sehatry ny fizahantany, indrindra mampahafantatra ny lazan’ny Nosy malagasy.
Zava-baovao amin’ity andiany manaraka ity ny fametrahana ny «village du festival» ao afovoan’ny tanàna, izay hatao ho ivon’ny fanentanana sy ny lanonana samihafa mandritra ny sivy andro hanaovana ny hetsika. Hisy, araka izany, ny fampisehoana isan-karazany izay hatao, miendrika fifaninana, handraisan’ireo mpiara-monina any ao an-toerana anjara. Ankoatra izay, hisy ny lanonana atao eto an-drenivohitra mandritra ny alin’ny 25 mey izao. Hanentana ny lalao «Quizz des baleines» ilay mpanentana fandaharana fanta-daza, «Question pour un champion», i Julien Lepers. Marihina fa hanana tranoheva mandritra ny hetsika ITM ny 20-23 jona eny amin’ny CCI Ivato ihany koa ny “festival des baleines”.
Henintsoa H.