Fiatrehana ny fifidianana : mbola mitaky ny hanadiovana tokotany ny MFM

Tsy mivaona amin’ny efa nambarany. Nambaran’ ny mpikambana MFM, Ravaoholisoa Hanitra, mbola mijoro amin’ny foto-keviny izy ireo, manoloana ny raharaham-pifidianana. “Tsy maintsy diovina aloha ny tokotany”, hoy izy. Anisan’ny efa notakin’izy ireo hatramin’ny herintaona ny hanesorana amin’ny toerany ireo mpikamban’ny Ceni sy ny HCC. Tsy tanteraka izany ka antony tsy nandraisan’ny Mafana anjara amin’izao fifidianana izao. Ho hitantsika eo ny ho tohiny, araka ny nambarany.
Etsy andaniny, notsikerainy ny ankamaroan’ireo kandidà depiote amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ireo mahaleo tena, tsy manana foto-kevitra mazava. “Tsy ao anaty antoko sady tsy voavolavola ara-poto-kevitra ary tsy nianatra sy nandalina politika fa mirotsaka hofidina fotsiny rehefa malaza sy nanao asa soa etsy sy eroa…”, hoy ihany izy.
Notakin’ny MFM ny hipetrahan’ny tsirairay amin’ny toerana tokony hisy azy avy. Ny dokotera natao hitsabo, ny mpandraharaha handraharaha, ny mpanao gazety manao ny asany, ny mpanakanto koa tahaka izany… “Mitondra firenena kosa ny tena mpanao politika, nianatra sy nandalina izany. Tsy izany anefa ny zava-misy ka tsy mahagaga raha tsy mandeha amin’ny laoniny sy potika ny firenena”, hoy ihany ny Mafana.
Ankoatra izay, notakin’ny MFM koa fa tokony ho teknisianina mahay sy mahalala ny tontolon’ny toekarena sy ny fihariana ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta.

Synèse R.

Partager sur: