Firaisamonim-pirenena : manaitra ny fanjakana hijery ny fanondranana harem-pirenena

Hentitra amin’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ny firaisamonim-pirenena. Mampitandrina ireo mpanondrana antsokosoko ny bibidia sy ireo hazo sarobidy izy ireo ka manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana hanaraka akaiky ny raharaha.

Miha matanjaka sy ma­hazo vahana ny tambajotra mpanondrana ny harem-pirenena amin’izao fotoana izao. Mazàna mirongatra ihany koa ny fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary mandritra ny vanim-potoam-pifidianana. Ahina ampiasaina amin’ny fa­mpielezan-kevitra ny vola maloto azo avy amin’ireo fanondrana ireo. «Takina ny mangarahara tanteraka amin’ny loharanom-bola ampiasaina amin’ ny fifidianana», hoy ny filohan’ ny Alliance voahary gasy (AVG), Razakamanarina Ndranto, nandritra ny valandresaka nataon’ny fiarahamonim-pirenena, ny sabotsy teo, tetsy Antaninarenina. Nilaza izy ireo fa mirona sy manohana ny famerana ny vola ho an’ny fampielezan-kevitra ho an’ny kandidà tsirairay mba hisian’ny fitovian-jo eo amin’ny samy mpifaninana. Ankoatra izay, mbola maivana ny sazy azon’ireo voasaringotra amin’ ny fanondranana ny harena voajanahary eto amintsika na dia manatontosa ny adidiny ny firaisamonim-pirenena sy ny sampandraharaham-panjakana samihafa. Araka izany, manentana ny fitsarana ny fi­raisamonim-pirenena amin’ ny famaizana mafy sy hatramin’ ny farany ny mpandika lalàna rehetra, «… hevitra mety ny fanomezana asa an-terivozona ho an’izay tratra mba ho famerenana amin’ny laoniny ireo toerana voaroba sy voatrandraka tsy ara-dalàna» hoy hatrany ny fanazavana voaray.

Antso avo
Manaitra ny fitondram-panjakana ny firaisamonim-pirenena mba handray an-tanana ny olana sy ireo tolokevitra samihafa mba hahafahana manatsara ny fitantanana ny harena voajanahary eto amintsika. Lasa varo-boba ny harem-pirenena ka hivadika ho tantara sisa raha tsy mandray andraikitra ny rehetra. «Mila hajoro ny tambajotrana lanceur d’alerte izay sahy mitoroka ireo mpanao ratsy hiadiana amin’ny fanaovana trafika ny harem-pirenena», hoy ny Pr Ratsimbazafy Jonah.

Henintsoa Hani

Partager sur: