Tsara ny vokatra ho an’ireo Malagasy atleta 24 mianadahy niatrika ny fifaninanana Acnoa, faritra fahafito, natao tany amin’ny Nosy Seychelles, nandritra ny herinandro teo.
Nahomby ny Malagasy mpilalao! Medaly 44, izay nahitana volamena 22 sy volafotsy 20 ary alimo 2 no nahazoan’i Madagasikara laharana voalohany, nandritra ny fifaninanana Acnoa, faritra fahafito, sokajy U18, lahy sy vavy, natao tany Seychelles, ny 6 hatramin’ny 11 mey lasa teo. Tonga nitsena ireo mahery fo teny, Ivato, ny solontenan’ny Komity olympika malagasy (Com) afakomaly.
« Afapo tanteraka tamin’ny fikarakarana sy ny fandraisana tany an-toerana izahay. Misaotra ireo atleta malagasy niaro ny voninahi-pirenena tany an-toerana», hoy Relahy Jean Claude, filohan’ny Federasiona malagasin’ny bisikileta izay voafidy ho sefon’ny delegasiona malagasy tany an-toerana.
Tsara marihina fa ny taranja basikety 3×3, Beach Volley, Lomano, tenisy ambony latabatra no nifaninanan’ireo firenena dimy nandray anjara tamin’ity andiany ity. Ankoatra an’i Madagasikara, tompondaka, misy an’i Maorisy, laharana faharoa, ny mpampiatrano, Seychelles, fahatelo, i Comores, fahefatra ary i Djibouti, izay farany tamin’ny fifaninanana.
Nambaran-dRelahy Jean Claude, afakomaly, teny amin’ny biraon’ny Komity olympika malagasy (Com), teny Alarobia, fa mety handray ny andiany manaraka i Madagasikara. Tsy namaritra ny fotoana sy ny taranja hifaninanana ny tenany. Nomarihiny ihany fa mbola hisy ny fivoriana hataon’izy ireo mahakasika izany. « Azo heverina fa horaisin’i Madagasikara, afaka efa-taona ny lalao Acnoa faritra fahafito », hoy ihany ny sefon’ny delegasiona.
Fitia Randria