Malagasy Rugby: nahazo fankatoavana tamin’ireo ligy ny mpitantana

Notanterahina ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny ivontoeram-piofanana Andohata­penaka, ny fivoriambe ara-potoana ho an’ny taom-piasana 2023, Malagasy Rugby. Fotoana nanaovan’ireo komity mpanatanteraka ny tatitra ara-bola sy ara-teknika ary ny moraly tamin’ireo ligim-paritra eo ambany fitantanany. Na­hatratra 8 ireo ligy niatrika izany: Vakinankaratra, Itasy, Alaotra Mangoro, Menabe, Atsinanana, Boeny, Ihorombe, Amoron’i Mania. Taorian’ny fihainoana ireo zava-bita nandritra izany fotoana izany, nahazo fankatoavana “quitus” 100% ny komity mpitantana.
Na izany aza, nisy ny fangatahana nataon’ireo ligim-paritra, toy ny fampiofanana ireo mpanazatra mba hitovizan’ny haavo teknikan’ny mpilalao aty an-drenivohitra sy any amin’izy ireo. Fanomezana fahalalana ho an’ireo mpampianatra sy mpanabe. Notakin’ ny Malagasy Rugby amin’izy ireo kosa ny tokony handefasana mialoha ny volana oktobra, ny fandaharanasany, hahazoana mandamina ny fidinana ifotony. Nanatrika ny fotoana ny solontenan’ny minisiteran’ny Fanatanja­han­tena sy ny avy amin’ny komity olympika malagasy (Com).

Tompondaka

Partager sur: