Anisan’ny andry telo amin’ny fampandrosoana amin’izao fe-potoam-piasana izao ny fampandrosoana ny maha olona. Aiza ho aiza? Marolafy ny olan’ny vahoaka ifotony, na an-drenivohitra na ambanivohitra. Amin’ny ankapobeny, saika ny fahantrana lalina sy maharitra ary manenika ny maro no antony fototra? Na tsy fandriampahalemana io, ohatra, na tsy fitomboan’ny famokarana firy, na tsy fahazoana miasa araka ny tokony ho izy… Vokatry ny fahantrana izany rehetra izany, fa vao mainka koa mampihombo sy mampitombo ny fahantrana. Ny fahantrana no zary fototry ny ratsy rehetra? Na mahatonga izao karazana toetra amam-pomba ratsy rehetra izao: kolikoly, fisolokiana, fanambakana…
Misy mahantra hatramin’ny saina amin’izany; eny, na izay heverina ho manana aza? Tsy mihevitra ny hafa na ny soa iombonana ny sasany, tsy mijery lavitra fa izay atrehina sy ny anio ihany, tsy mandeha amin’ny fahamarinana, tsy tan-dalàna… Anisan’ny mahasarotra sy mahamafy ary mahaela ny fanarenam-pirenena sy fampandrosoana? Mila fahamatorana sy tena ifotorana ny ady amin’ ny fahantrana ifotony: tsy sarin’ady no atao, tsy famalifaliana… Mila vahaolana maharitra, haingana sy mivaingana. Eo koa ny fiatrehana ny fahantran-tsaina amin’ny ady amin’ny tsimatimanota, tsy fampiharan-dalàna, kolikoly… Tena ady no atao: tsy anavahana na iza na iza, na aiza na aiza, na ahoana na ahoana… Mby aiza?
Samy anisan’ny hoe andry amin’ny fampandrosoana izao ny maha olona sy ny fanatsarana ny tontolon’ny fitantanana, mifampiankina sy mifameno. Ny faharatsian’ny fitantanana no mampahantra vahoaka ny fahantram-bahoaka no maharatsy ny fitantanana? Kibo mitsara tena ny tsirairay. Mba hitondra inona amin’izany rehetra izany no mampihazakaza an’ireo mpirotsa-kofidina ho depiote?
R. Nd.