Efa nanomboka ny 2 mey teo no any La Réunion Rajery. Misy ireo hetsika ara-kolontsaina tafiditra anatin’ny fahatsiarovana ny fanandevozana sy ny nanafoanana izany any amin’ity Nosy rahavavy ity, ka anisan’ireo nasaina manokana handray anjara amin’izany ny Rajery Trio. Niara-dalana tamin’izany koa ny fanombohana ny «Prix du 20 Desamb’ Réunion» andiany fahavalo, izay natao hanasongadinana ireo mpanakanto renioney mivoy ny gadona maloya. Anisan’ny gadona nosokajin’ny Unesco ho harembakoka iraisam-pirenena ny maloya , ary manana ny toerana eo amin’ ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena.
«Nasain’ny mpikarakara aho mba hitafatafa sy hizara ny traikefako amin’ireo mpanakanto renioney», hoy ny fampitam-baovao avy amin-dRajery. Tontosa ny zoma lasa teo izany fizarana traikefa izany, izay nahaliana ireo mpanakanto maro, efa mahalala tsara an-dRajery sy ny mozika malagasy rahateo. Mazava loatra fa mahakasika ny tsenan’ny mozika, indrindra ny eo amin’ny iraisam-pirenena no tena nifantohan’ny adihevitra. Nisy ihany koa ny fifanakalozana mozika nataon’ny Rajery Trio sy ireo mpanakanto any an-toerana. Ankoatra ny Rajery Trio, tao koa ireo mpanakanto nasaina avy amin’ ireo Nosy manodidina, toa an-dry Vallen Pierre Louis avy any amin’ny Nosy Rodrigues, sns.
Vantany vao tonga avy any La Réunion dia handeha hihazo an’i Frantsa indray ry Rajery, hiatrika ny «Festival Antsika Jiaby». Ny 19 mey no hiaka-tsehatra izy ireo, ka nasaina hanao ny tapany voalohany amin’izany i Tahina Carine.
Zo ny Aina