Rugby – Can 2024: hanao “Mondial D3” any Dubaï ny Makis Ladies

Tsy nitsanga-menatra ny Makis Ladies, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika rugby lalaovina olona 15 (Can 2024), sokajy vehivavy. Nahazo ny laharana faharoa, ary nandrombaka ny tapakila hiatrehana ny “Mondial” ho an’ny sokajy D3, hatao any Dubaï.

Nifarana, omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby vehivavy (Can 2024). Nibata ny amboara ny Springboks Afrika Atsimo, rehefa nandresy ny Makis Ladies, tamin’ny isa mazava, 46 no ho 17. Hiatrika ny “Mondial 2025”, hatao any Londres ry zareo raha hanao ny “Mondial D3” any Dubaï kosa ny Malagasy.
Lojika ny faharesen’ny Makis. Nasehon’ny Afrikanina tatsimo ny maha laharana voalohany azy aty Afrika. Nanantombo teo amin’ny vatana sy ny tanjaka tao anaty “avant” ry zareo. Vao nanomboka 20 mn dia efa nitarika 17 no ho 0 ry zareo. Nifandimby nanindry baolina avokoa i Sikholiwe sy i Cilliers ary i Veroeshk, saingy ny iray ihany no voatsara. Taorian’io vao taitra ny Makis ka nanafaingana ny lalao tamin-dry Jinah sy Erickah, nampian’i Vonjy Be. Nahatsindry baolina tao ambany haintso izy ireo, saingy tsy matin’i Sophie izany. 5 mn tsy hialana sasatra, nanosika tao anaty “mêlée” ny Springboks ka nahatsindry baolina indroa misesy fa tsy nisy voatsara. Io isa 27 no ho 5 io no nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Nanindry ny Makis saingy…
Fizaram-potoana faharoa, nanao totoafo ny fanafihany ny Springboks. Nisesy ny baolina nentin-tanana, ka tataka be ny isa teny amin’ny solaitrabe 39 no ho 5. Taorian’io, nanafaingana ny lalao i Jinah ka matetika tafaporitsaka foana. Minitra faha-63, nahazo tolotra tsara i Laurence izay nanindry ny baolina saingy tsy maty. 39 no ho 10 ny isa. Tsy nijanona teo fa mbola tafavoaka indray i Sophie ka tsy nijanona raha tsy “essai” teo ambany haintso, izay voatsara ka nahalasa ny isa ho 39 no ho 17. Minitra faha-79, nanao valin-kafatra ny Springboks ka nahatonga baolina nentin-tanana i Cilliers, izay voatsara ka nahalasa ny isa ho 46 no ho 17. “Mbola sarotra ny handresy ny Springboks izay efa ambony be ny lentan’ny lalaony. Eny fa na dia afaka nampiseho ny tena lalaontsika aza isika”, hoy i Jinah. Raha tsy misy ny fiovana, ny volana septambra ho avy izao no hiatrika io “Mondial D3” io ny Makis. Laharana fahatelo i Kenya, rehefa nandresy an’i Cameroun tamin’ny isa 39 no ho 17.

Tompondaka

Partager sur: