VAOVAO TAMBATRA

Nahazo aina ny vola malagasy nandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2024. Izany hoe, niakatra 6,2% ny sandan’ny Ariary raha oharina amin’ny Euro sy ny dolara izay mihoatra ny 4,8%. Mahatratra 80% ny fampodiana ny vola vahiny tamin’ny fanondranana nataon’i Madagasikara nandritra ny volana marsa teo.
Miisa sivy ireo orinasa tafiditra ao anatin’ny sehatra ara-dalàna taorian’ny fandaharanasa nataon’Ambatovy tao amin’ny faritra Atsinanana sy Alaotra Mangoro. Mampitombo ny vola miditra amin’izy ireo, tao anatin’ny enim-bolana monja, ny tohana azony. Nanampy ireo tanora hanome lanja ny vokatra ataony sy ho fampandrosoana ny toekarena ny fandaharanasa.
Ho vita tsy ho ela ireo familian-dalana na «accès déviations» miampita eo amin’ny tetezan’Ifasy, teboka halaviran-dalana PK 537+327, eny amin’ny RN6, mampitohy an’Ambanja sy Ambilobe, tanterahin’ ny Orinasa Colas. Fotodrafitrasa tapaka nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Gamane ity tetezana ity.
Fantatra nandritra ny fivoriambe niarahana tamin’ireo mpamatsy vola ny tondrozotra amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fizahantany sy ny asa tanana. Anisan’ireo tetikasa ao anatin’izany ny fampitomboana 600 isa ireo efitranom-bahiny manerana ny Nosy sy ny tetikasa «Ndao hizaha an’i Madagasikara».

Partager sur: