Anisan’ny maro mpiandry, ao anatin’izao hetsika SIEL izao, i Hary Rabary, amin’ny alalan’ilay « Za Koa ». Lasa ambohipihaonan’ny mpiantsehatra eo amin’ny tontolon’ny boky sy ny asa soratra, isan-taona, izy ity noho ireo fanararaotra maro hita mandritra ny hetsika.
Tanterahina ny 10 hatramin’ny 19 mey 2024, ao Rabat- Maroc ny « Salon international de l’édition et du livre » (Siel), andiany faha-29. Hetsika anisan’ny lehibe indrindra eo amin’ny tontolon’ny boky, ho fampiroboroboana sy fanomezana tosika ireo mpanoratra. Hetsika maro samihafa no mandravaka ny Siel 2024. Anisan’ izany ny fampirantiana, atrikasa, velakevitra, antsa tononkalo ary fifanakalozana amina mpanoratra malaza avy amin’ny firenena maro. Anisan’ny nasaina manokana hiatrika ity hetsika ity i Hary Rabary, miaraka amin’ny bokiny nampitondraina ny lohateny hoe “Za Koa”.
“Tsy fankalazana ho an’ny boky sy ny fanontana fotsiny ihany ny Siel, fa ny ahafahan’ny olona rehetra tsy ankanavaka mijery sy mamantatra ny kolontsaina vaovao avy amin’ireo firenena maro samihafa”, hoy i M. Bensaid, tomponandraikitry ny hetsika. Efa hatramin’ny nisiany, nanomboka ny taona 1987, no efa anisan’ny nanana ny naha izy azy izy ity. Misy ny fanolorana amboara ho an’ny “Prix IBN Batouta de la littérature de voyage”, natokana ho an’ny asa soratra sokajiana ho mendrika indrindra. Eo ihany koa ny “Prix Jeunes Poètes”, atolotra ho an’ ireo mpanoratra vao misandratra.
Anisan’ny tsara toerana handrombaka izany ny boky “Za Koa”, nosoratan’i Hary Rabary. Ity farany izay mifaninana ao anatin’ny “Prix Orange du livre en Afrique 2023”. Maro ihany koa ny hetsika iraisam-pirenena mahakasika ny boky sy ny literatiora nandraisan’ity boky ity anjara. Raha tsiahivina, boky mirakitra tantaram-pitiavana izy ity. Efa an-taonany maro no nanoratana azy, saingy ny taona 2023 vao navoaka tamin’ny fomba ofisialy. Anisan’ny nahasarika sy nahaliana ny maro tamin’ny “Za Koa” ny fahaizan’ ny mpanoratra maneho ny an-tsoratra ny tantara.
Lin