Fiainam-pirenena: mila mandray andraikitra ny vehivavy

Napetraka teto Madaga­sikara ny volana novambra ny AWLM-Madagasikara, izay tohanan’ny tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA). Nisy ny fihaonana tafiditra anatin’ny tetikasa « Mahasaky », ho fampiroboroboana ny fandraisana anjaran’ny tanora sy ny vehivavy, ho fanamafisana ny demokrasia sy ny fandriampahalemana. Manohana ny tetikasa ny rafitry ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud), ny minisiteran’ny Ta­nora ary ny EISA. Tanjon’ny fihaonana notanterahina ny herinandro lasa teo, teto An­tananarivo ny hanatsarana ny fahaiza-manaon’ny mpikamban’ny AWLN Madagascar amin’ny haitarika, ho fidirana bebe kokoa amin’ny fandraisana andraikitra anatin’ny fiainam-pirenena. Mila mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra, hitondra ny heviny sy ny fahitany ny zava-misy, manomboka eny ifotony ny vehivavy.
Hisy, araka izany, ny tetikasa momba ny tontolo mifandraika amin’ny andrimpanjakana, ho an’ny sosialy sy ny kolontsaina ary ny sehatra ho an’ny daholobe. Samy hamaritra ny tetikasany mifanaraka amin’ny filany ny faritany enina miaraka amin’ny vaomiera enina manokana. Aorian’izay, hiofana indray hifehy ny paikady hanetsehina ny tetikasa hivadika ho asa ireo mpikambana amin’ny AWLM. Mitarika ny fikambanana eto amintsika Rabeha­risoa Saraha.

Vonjy

Partager sur: