Harena an-kibon’ny tany: fifanarahana hiadiana amin’ny hosoka

Natao sonia ny 10 mey teo, teny amin’ny Mining Business Center (MBC Ivato), ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany (MMRS) sy ny Antokondraharaha nasionaly miady amin’ny hosoka (Anaf). Nohazavain’ny tale jeneraly (DG), ny jeneraly Voahangy Andriamanalinarivo Irinjatovo Hajatiana, fa rafitra eo anivon’ ny fiadidiana ny Repoblika ny Anaf, amperinasa efa hatramin’ny febroary 2021. Miara-miasa amin’ny sampandraharaham-panjakana isan-tokony ity rafitra ity. Voafaritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny harena an-kibon’ny tany, ka ao anatiny ny ady amin’ny hosoka.
Nampahatsiahivin’ny minisitra MMRS, Rakotomalala Herindrainy Olivier, fa zava-poana ny ezaka atao raha mbola mitoetra sy mitohy ny hosoka. Sady harena tsy azo havaozina ny harena an-kibon’ny tany. Nohamafisiny fa vonona ny hifanome tanana hatrany ny departemanta sahaniny hiadiana amin’ny hosoka. Nosa­rihiny ny rehetra hifototra amin’ny izany ady izany.
Tanjon’ny roa tonta ny hampahomby ny paikady sy ny hahazoana vokatra tsara ao anatin’ity fiaraha-miasa ity entina hamongorana ny tambajotra mpanao hosoka eto amintsika.

Njaka A.

Partager sur: