Hamaritra ny toetr’andro eto Madagasikara ny varatraza malefaka. Mety mbola hahazo orana malefaka ny morontsiraka afovoany atsinanana sy ny morontsiraka avaratra atsinanana. Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Toamasina sy ny tanjona Bobaomby ary ny eo anelanelan’i Morombe sy Vangaindrano hitandrina. Misy ny filazana fampitandremana mahakasika ny haavon’ny alondrano.
Tafiditra anatin’ny fametrahana sy fampahafantarana ny fizarana andraiki-pitantanana vaovao, izay hiandraiketan’ny foibem-pitondrana misahana ny fanaraha-mason’ireo rantsa-mangaikany, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (USOR), amin’izao. Nampiofanina mahakasika izany ireo mpiara-miasa eny anivon’ ny Dren miisa valo, ny herinandro lasa teo.
Niompana tamin’ny tontolon’ny nahandro ny fifampizarana natao tany Taolanaro. Niarahan’ny fikambanana Autisme Madagascar sy ny ray aman-dreny ny hetsika. Sady niala voly no afaka nijery ny mety manavanana ny zanany ireo ray aman-dreny, ny faran’ny herinandro teo.
Afaka nanampy tovovavy 12 000 nisafidy ny fomba fandrindram-piterahana mety aminy ny rasazy miisa 87, tohanan’ny UNFPA, ny taona 2023. Nikarakara fampiterahana nanaraka ny fenitra ara-pahasalamana mahatratra 115 000 koa izy ireo, manerany ny Nosy. Miantoka ny fampihodinana ny rafitry ny fahasalamana, amin’ny ankapobeny, ny mpampivelona.