Niverina niakatra teny anivon’ny Pôle anti-corruption (Pac), omaly, ny raharaha maha voasaringotra ireo tomponandraikitra 48 eo anivon’ny orinasa Jirama. Voarohirohy tamina fanodinkodinam-bolam-panjakana, fanararaotam-pahefana, firaisana tsikombakomba ary famotsiam-bola izy ireo. Anisan’ izany ny tale jeneralin’ny orinasa teo aloha miisa roa, Andriamanga Vonjy, Radanielina Rivo Herilala, ny tale kabinetran’ny orinasa, Rasamimanana Vonjy, ao ihany koa ny tale ara-bola. Tsiahivina fa ny volana avrily 2021, nisy ny lisitra niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera, nahitana ny anaran’ireo tomponandraikitra samihafa nisitraka tambin-karama amina tapitrisa maro. Nisokatra, taorian’izay, ny famotorana ka niakatra teny anivon’ny Pac, ny 28 novambra 2022, ny raharaha. Nisy, araka izany, ireo nampidirina am-ponja vonjimaika. Tsy namaly ny fiantsoana, tamin’io fotoana io, kosa ny tale jeneraly teo aloha, Andriamanga Vonjy, ny tale misahana ny fitantanana ny mpiasa teo aloha, ary ny tale jeneraly, Radanielina Rivo, izay samy namoahana didy fampisamborana.
Henintsoa H.