Mpianatra 17 lasibatra : sekoly iray hotohoton’ny afo

Levon’ny afo ny trano fianarana iray, tao amin’ny tanànan’Antafiandramasy, Ambovomamy, kaominina Boriziny II, ny alahady 12 mey teo, tamin’ny 11 ora alina. Niredareda ny afo ka kila avokoa ny fitaovana rehetra tao an-dakilasy. Potika tao anatin’ny minitra vitsy nisian’ny firehetana ny latabatra hatramin’ny solaitrabe. Trano iray nisy ny fitaovam-piaranana, toy ny boky sy ny taratasy maromaro, may vokatry ny firehetana.Tsy fantatra mazava ny nahavanon-doza. Manao ny fikarohana momba izao tranga izao ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana. Mpianatra 17 no lasibatra vokatr’izao fahamaizana izao.

Tsiferana R.

Partager sur: