Toliara Mijoro: mampitaraina ny rehetra ny fahantrana any Atsimo

Manaitra ny rehetra ny mpandrindra ny fikambanana Toliara Mijoro, Roberval Jeannot, mahakasika ny fahantrana lalina any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. “Leo fijaliana ny mponin’i Toliara”, hoy izy.

Ho an-dRoberval Jeannot, mila jerena akaiky ny hoavin’ny tanora sy ny ankizy any Toliara. Mirona any amin’ny fivarotantena ny tovovavy, hany fomba hitany ahazoana vola hiantohany ny fianarany. Voatery mikarama ny ankizy ny faran’ny herinandro mba ahitana vola hanampiany ny ray aman-dreniny.
Araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena farany teo, miaina anaty fahantrana ny 81% ny mponina any Atsimo Andrefana. Ho an-dRoberval Jennot, “mbola ratsy noho io taha io ny zava-misy any Atsimo ary tena miaina anaty fahantrana lalina ny mponina. Misy ny vehivavy fadiranovana, ary mandova izany ny zanany, ka tena marefo tokoa izy ireo”.
Voalazan’i Ana Maria Oviedo sy i Francis Mulangu, samy mpahay toekarena ao amin’ny Banky iraisam-pirenena, sady manampahaizana manokana momba ny fahantrana, fa miankindoha betsaka amin’ny fambolena i Madagasikara. Mi­ai­na anaty fahantrana lalina ny fianakaviana izay maro anaka monina any ambanivohitra. Manambady sady miteraka aloha loatra ny vehivavy.

Fampiasam-bola miteraka asa
Vahaolana aroson’ny Banky iraisam-pirenena ny hanaovana laharam-pahamehana ny fampiasam-bola sy ny fanomezan-danja ny maha olona ary indrindra ny famoronana asa. Hampihenana ny fahantrana izany ary ho afaka miatrika ny fampandrosoana ny toekarena. “Manamarina ny tsy fisian’ny asa sy ny fahantrana lalina ny firongatry ny fanazimbazimbana sy ny vaky fasana any Toliara”, hoy ihany ny mpandrindra ny fikambanana Toliara Mijoro.
Manoloana ireo, notsipihiny fa “tsy tokony hiandry fotoana intsony ny fanjakana, hamerina ny fisokafan’ny orianasa Base Toliara. Azo antoka fa hirohotra hangataka asa ao ny olona any an-toerana, na inona inona diplaomany. Maro ny olana hivaha raha vao manomboka io tetikasa io”.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: