VAOVAO TAMBATRA

Hodinihina ny fifanarahana amin’ny orinasa Madagascar Oil sy ny Omnis momba ny fitrandrahana ny menaka mavesatra ao Tsimiroro. Horesahina manokana ny momba ny tombontsoan’ny firenena, toy ny famoronanana asa sy ny fampiasam-bola samihafa izay mbola tsy vita.

Milanja 500 kilao ny voka-boanjo azo tao amin’ ny kaominina Soavina, faritra Amoron’i Mania. Vokatra niaingana tamin’ny masomboly fototra izay nampiakaran’ny tetiksa “Purpa” tao amina distrika roa ao an-toerana. Manana taha menaka ambony sy ahitana lalam-barotra betsaka ny vokatra toy izao.

Nanolotra fitaovana hanadiovana ny tanàna, toy ny lapelina 25 isa, angady 28 ary borety valo, ho an’ny renivohitr’i Toamasina, ny orinasa Ambatovy, ho fandraisana anjara amin’ny fanatsarana ny fidiovana sy ny fivoahan’ny rano maloto eo anivon’ny kaominina. Mandray anjara feno amin’ny fanalana ireo rano mihandrona any an-toerana ihany koa ny orinasa.

Partager sur: